Tsy maintsy tohizana ny ady amin’ny kolikoly, ny hosoka sy ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MTS, Ratsiraka Roland. Nanteriny fa haharitra telo volana na mihoatra aza ny tolona. “Tsy maintsy mandresy isika”, hoy izy.
Niarahaba ny filoha Rajoelina Andry amin’izao nahavoafidy azy izao indray ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, omaly. “Miandrandra fivoarana bebe kokoa ny vahoaka ka mampahery mba hahita fahombiazana”, hoy ny fanambarana.
Voaasa tamin’ny fitokanana ny fiangonana Betela, Sud Ambohipo, ny filoha teo aloha, Ravalomanana, omaly. Nitarika ny fotoana ny filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako. Lohahevitra : « Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. » Heb 10,24.
Handao an’i Madagasikara ny ambasadaoron’i Indonezia, i Benny Yan Pieter Siahaan.
Tapitra ny fotoam-piasany, nandritra ny telo taona. “Mifarana izany izao fa mitohy kosa ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta”, hoy izy.