Filohan’ny HCC : “Aoka hohajaina ny safidim-bahoaka”

“Miantso an’izay resy tamin’ny fifidianana mba hahatsapa tena sy hanaja ny safidim-bahoaka. Fa ny feom-bahoaka dia feon’ Andriamanitra.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana, teny Ambohidahy, omaly. Araka ny And. voalohany ao amin’ny Lalàmpanorenana, anisan’ny fototra iorenan’ny Repoblika ny demokrasia. Ny fifidianana malalaka no endrika hampiharana izany. Na teo aza ny fanenjehana sy fanaratsiana avy atsy sy aroa, nisy ny ezaka hahademokratika ny fifidianana. Nanao fanambarana momba izany ireo mpanara-maso iraisam-pirenena.
Ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna no mametra sy ampiharina ny fanatanterahana fifidianana. Saro-piaro amin’ny fanatanterahana izany ara-bakiteny sy araka ny lalan-tsaina ny HCC, tsy hamaly ny fihantsiana ary tsy hirefarefa amin’ny tany miaraka amin’ny mpanenjika azy. Misy amin’ireo manao ny HCC ho fahavalo no mialokaloka amin’ny maha mpitsara, mpisolovava, tapi-pahaizana momba ny lalàna, mandokadoka tena ho manana ny marina, manakorontana saim-bahoaka amin’ny fomba famakiana lalàmpanorenana amin’ny solomaso politika.

R. Nd.

Partager sur: