Voafidy fanindroany ho filohan’ny Repoblika indray ny kandida Andry Rajoelina. Nahazo vato 58,96% tamin’ny fihodinana voalahany izy. Fianianana sisa andrasana.
Efa nampoizina. 58,96% ny salanisan’ny vato azon’ny kandidà lah.3 “Ambara fa voafidy ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany Rajoelina Andry”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, namaky ny didim-pitsarana momba ny voka-pifidianana ofisialy, teny Ambohidahy, omaly. Mahatratra 11 043 836 ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana, 5 119 018 ny nandatsa-bato, 270 123 ny vato fotsy sy maty, 4 848 895 ny vato manankery, ary 46,35% ny taham-pandraisana anjara. Izao kosa ny vato azon’ny telo voalohany, izay miverina ny anto-bola 200 tapitrisa Ar tamin’ny firotsahan-kofidina: 2 858 947 na 58,96% ny an’ny kandidà lah. 3, Rajoelina Andry; 697 691 na 14,39% ny kandidà lah. 13, Randrianasoloniaiko Siteny; 586 282 na salanisa 12,09% ny an’ny kandidà lah. 5, Ravalomanana Marc.
Azo raisina saingy nolavin’ny HCC ny fangatahana fampiatoana momba ny fanakianana ny fizakana zom-pirenena malagasy momba ny kandidà Rajoelina sy ny kandidà Raderanirina Sendrison. Nolavina koa ny fangatahana fanalana an-daharana ny kandidà Rajoelina Andry, ny fitoriana ho fanafoanana ny latsa-bato manontolo natao ny 16 novambra 2023, ny fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandidà Rajoelina Andry. Voavaha tamin’ny fitsirihana avy hatrany ny vato azon’ny kandidà tsirairay ary ny vato fotsy sy ny vato maty nataon’ny HCC tamin’ireo fitanana an-tsoratra sy taratasy fanisam-bato isaky ny biraom-pifidianana ny fangatahana famerenana fanisana ny vato azon’ny kandidà.
R. Nd.