Manatanteraka fanazarantena eny Carion, nanomboka ny alatsinainy 27 novambra lasa teo, ny ekipam-pirenena zandriny, lahy sy vavy, latsaky ny
15 taona (U15), taranja baolina kitra. Hiatrika ny fifaninanana “Cosafa School” izay hotanterahina any Zimbabwe, ny 14-16 desambra ho avy izao izy ireo.
Notanterahina nanomboka omaly, teny amin’ny kianjan’ny Club Olympique de Tananarive (COT) Ankadikely Ilafy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Tenisy, 1ère série lahy sy vavy. Tsiahivina fa ity fifaninanana nasionaly ho an’ny sokajy rehetra ity, efa nanomboka ny alatsinainy lasa teo.
Taorian’ny fandavon’ny Arsenal FC, anglisy klioba, tamin’ny isa mavesatra 6 no ho 0, an’ilay ekipa frantsay, RC Lens. Mihintsana amin’ny fiadiana ny ho
tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024” avy hatrany ny RC Lens. Afaka miatrika ny “Eoropa League” kosa anefa izy ireo raha mandresy ny FC Seville.
Hofantatra rahampitso ny isan’ireo Malagasy mpilalao halain’ireo teknisianina vahiny eto amintsika, amin’ny hetsika izay karakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena “Baolina Kitra Mahatafita”. Miisa 15 sisa izy ireo no manao izao fitiliana izao, araka ny vaovao nampitain’ny mpikarakara.