Lany tamin’ny fihodinana voalahany izany ny filohan’ny Repoblika hitondra an’i Madagasikara anatin’ny dimy taona hoavy. Vita mifanaraka amin’izay ihany koa ny andraso andraso. Miandry asa sy vokatra ny vahoaka malagasy tsivakivolo.
Miditra amin’ny fotoanan’ny asa avokoa ny olom-pirenena tsirairay. Indrindra ny filoha Andry Rajoelina. Miandrandra ilay fampandrosoana nilokalokana ny Malagasy na ny nifidy na ny tsy nifidy. Filamatry ny kandidà, hirahirainy tamin’ny fampielezan-kevitra ilay « Madagasikara tsy maintsy mandroso ». Tsy hijanona ho filamatra fotsiny fa hivadika asa.
Taom-pitondrana ho taom-panadinana ny dimy taona manaraka. Miandry ny fampanantenana momba ny sosialim-bahoaka avokoa ny besinimaro. Fototra ijoroan’ny fanjakan-dRajoelina, araka ny kabariny. Tsy hijanona ho kobaka am-bava fa ho fanamafisana ny velirano, nilokalokana hatrany amin’ny taona 2009 sy 2018.
Anisan’ny filoha tanora mamim-bahoaka ny filoha vao napetraky ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, omaly. Tsy fitiavana an-jambany akory fa fitia mifamaly mahatsara fihavanana. Miandrandra valim-pitia ireo nandatsa-bato, toraka izany koa ireo mipetraka ho mpitsara ny tantara ka tsy nifidy.
r.r