Mihena 4 MW ny tanjaky ny herinaratra any Andekaleka izay tokony hanana tanjaka 120 MW. Antony, tsy ampy ny ranonorana ka voatery mihena koa ny tanjaky ny famatsiana herinaratra. Izay no anisan’ny antony hanaovana delestazy, manomboka amin’ny 2 ora alina hatramin’ny 4 ora sasany maraina, indrindra ny eto Antananarivo sy ny manodidina.
Manodidina ny 900 Ar hatramin’ny 1 000 Ar ny kapoakan’ny vary eto Antananarivo, izao. Izany hoe, efa tafakatra manodidina ny 3 000 Ar ka hatramin’ny 3 200 Ar ny kilao. Ao anatin’ny vanim-potoana maitsoahitra tanteraka isika izao, fotoana tena mampalafo ny vary. Amin’ny volana janoary 2024 vao hiakatra ny vary aloha, nefa tsy hampiova ny vidim-bary izany.
Higadona ao Mahajanga rahampitso ny sambo lehibe iray mitondra mpizahatany hitsidika ny renivohitr’i Boeny sy ireo toerana mampiavaka azy. Mbola hiverina any an-toerana ny 11 desambra izao io sambo io aorian’ny dia ataony. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana fahatongavan’ireo sambo lehibe mitondra mpizahatany isika izao.
Mihena ny vidin’ny legioma amin’ny ankapobeny izao eny an- tsena eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny karaoty, manodidina ny 800 hatramin’ny 1200 Ar ny kilao, raha efa naha tratra 1 600 Ar hatramin’ny 2 000 Ar tamin’ny volana oktobra teo. Manodidina ny 1 000 Ar hatramin’ny 1 800 Ar koa ny kilaon’ny ovy eny amin’ny tsenan’Andravoahangy.