Nanomboka mihena ny isan’ny mpandeha fiaramanidina eto Madagasikara ny volana aogositra teo. Ny volana oktobra teo, nilatsaka ny antontanisa noho isika manomboka miditra amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra.
Nilatsaka hatrany amin’ ny 117 000 ny mpandeha fiaramanidina ny volana septambra teo raha toa ka nahatratra 130 000 izany ny volana aogositra, araka ny tatitry ny Rafitra mandrindra ny fitantanana fiaramanidina eto Madagasikara (Aviation civile de Madagascar), ACM. Nampiasa ny sidina mampifandray an’i Afrika sy ireo nosy manodidina ny 48% an’ireo mpandeha raha toa ka nihena 43% izany taorian’io. Na izany aza, nahitana fiakarana 59% ny mpandeha nandritra ny volana septambra, tamin’ity taona ity, raha oharina tamin’ ny taon-dasa.
Tao anatin’ny herintaona, sambany nihoatra ny tarehimarika voarakitra nandritra ny taona 2019 ny isan’ireo mpandeha. Taham-piakarana 3%
na ho an’ireo sidina iraisam-pirenena na ho an’ireo sidina mampifandray an’i Afrika sy ny nosy manodidina.
Nihena
Mihena tsikelikely ny isan’ ny mpizahatany tonga. Manomboka miditra amin’ny fotoam-pahavaratra i Madagasikara ka mitarika ny fihenan’ny mpandeha miditra ny firenena malagasy. Araka ny tarehimarika nomen’ny ACM, maherin’ ny 113 000 ny isan’ny mpandeha niditra teto an-toerana nandritra ny volana oktobra. Na eo aza izany, velom-panantenana ny mpisehatra amin’ ny fizahantany. Tao anatin’ny 10 volana tamin’ity taona ity, nahatratra hatrany amin’ny 184 824 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara ka ny volana oktobra teo no nahitana izay fiakarana ambony indrindra izay noho izy maherin’ny 28 450.
Ny volana aogositra, manodidina ny 172 000 ny toerana namidin’ireo kaompaniam-piaramanidina raha toa 160 000 izany ny volana septambra teo. Manodidina ny 158 000 izany ny volana oktobra teo.
Henintsoa Hani