Dingana goavana amin’ny fampandrosoana ny seha-pamokarana sy hanatrana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary ny fampananan’asa ho an’ny tanora ny tetikasa “titre vert”. Tanora mpamboly 100 mianadahy nisitraka velarantany
200 ha tao amin’ny fokontany Tsimanariloka, kaominina Itremo, distrikan’Ambatofinandrahana, ho an’ny faritra Amoron’i Mania. Lehilahy ny 67% an’ireo tanora nahazo izany raha toa ka vehivavy ny ambiny izay samy eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 40 taona avokoa. Ankoatra izay, nomena masomboly voanjo
3 710 kg sy masomboly katsaka 775 kg, NPK 5750 kg ireo tanora. Nanampy izany ny zezika biolojika 17 900 kg ary taho-mangahazo miisa 117 750. Omena lanja sy narindra amin’ny velarantany manokana ny fambolena ny mangahazo sy voanjo ary ny katsaka ao an-toerana. Hisoratra amin’ ireto mpamboly ireto kosa ny tany aorian’ny telo taona hampiasany izany ho fiarovana ny fitrandrahany ka hanohizany ny asa famokarana.
Fahaleovan-tena
Miparitaka manerana ny faritra 23 ny fandaharanasa izay mikendry ny fampiroboroboana ny fahaleovan-tenan’ny mpamokatra, amin’ny alalan’ny famoronan’asa ho an’ny tanora. Hotsinjaraina amina tanora mpandraharaha 93 ny velarantany 260 ha ao amin’ny fokontany Ambonarabemahasoa, kaominina Betagnatagna, distrika Melaky, faritra Melaky. Hanajary tany manodidina ny 2,5ha sy biby fiompy isaky ny olona ireo mpisitraka.
Henintsoa H.