Hatao ny 16 desambra izao ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, araka ny nambarany teny Ivato, ny zoma teo. Nanteriny fa hisy filoham-panjakana ho avy hanatrika sy hanotrona ny lanonana. Tombanana fa mety hatao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina izany.
Mitsipaka marindrano ny voka-pifidianana navoakan’ny HCC ny Vondron-kery sy antoko mitaky ny fiverenana amin’ny tany tan-dalàna. Nambaran’izy ireo fa feno hosoka iny fifidianana iny. Miantso ny ho amin’ny fihaonana an-tampony hisorohana ny krizy izy ireo.
Nisaotra ny mpitandro filaminana ny filoham-panjakana, ny Jly Ravalomanana Richard. “Voafehinareo ny fikotrehana hanao hetsika tsy manara-dalàna. Ny fandrangitana hanao fikomiana miaramila sy sivily ary hampikatso ny raharaham-panjakana”, hoy izy.
Mitohy hatrany ny fivorian’ny Vondron’ny kandidà 11, teny Andraharo, ny herinandro teo. Tafiditra amin’ ny fanomanana ny hametrahana ny rafitra eny ifotony ho amin’ny famerenana ny tany tan-dalàna izany sy hiatrehana ny paikady manaraka.