Nifarana omaly alahady, tany Le Caire, Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety lalaovin’olona 3.
Laharana fahatelo avokoa ny Ankoay lahy sy vavy. Medaly alimo avokoa no norombahan’izy ireo, na ny teo amin’ny sokajy vehivavy izany, na teo amin’ny sokajy lehilahy. Samy niatrika ny lalao fiadian-toerana fahatelo izy ireo. Teo amin’ny lalao manasa-dalana no resy ny Ankoay vavy, rehefa nifanandrina tamin’ny ekipan’i Egypte, tompon-tanana. Isa 18 no ho 14 no nisarahan’ny roa tonta. Raha natao ny tombana, nifandanja tsara ny lalao ary zakan’ny Malagasy tsara ry zareo Egyptiana saingy nanao fahadisoana matetika loatra ny Malagasy mpilalao. Antony nahazoan’i Egypte tombony izany ka nahazoany ny fandresena. Teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo kosa, nandresy ny ekipan’ny Ouganda tamin’ny isa 19 no ho 17 ny ekipa Malagasy, vehivavy, ka nahazo ny medaly alimo. Tsiahivina, fandresena roa no azon’ny Ankoay, sokajy vehivavy, nandritra ny lalao fifanintsanana isam-bondrona, lalao nanoloana an’i Bénin sy Maraoka. Tafakatra ampahefa-dalana izy ireo taorian’izay ka mbola nahazo fandresena tamin’ny isa 16 no ho 12 nanoloana ny ekipan’i Alzeria. Tsara ny manamarika fa tafiditra anatin’ny Top 5, nahatafiditra baolina be indrindra, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona, ny Malagasy mpilalao, Andrimihajanirina Sydonie. Isa 17 no azony tamin’izany.
Votsotra ny anaram-boninahitra teo amin’ny sokajy lehilahy
Votsotra teo am-pelantanan’ny Ankoay lahy ny anaram-boninahitra. Resy teo amin’ny manasa-dalana ihany koa ry Elly sy ny namany, tamin’ny isa 17 no ho 15, nanoloana ny ekipan’i Nigeria. Raha hiverenana ny dingana nolalovan’ny Ankoay lahy, fandresena 2 sy faharesena iray no azon’izy ireo, nandritra ny lalao fifanintsanana isam-bondrona. Niatrika manasa-dalana avy hatrany i Madagasikara, satria nahazo laharana voalohany tao amin’ny vondrona nisy azy, ka teo no tapitra ny lalany. Teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo kosa, nahazo ny fandresena nanoloana ny ekipan’i Alzeria i Madagasikara ka tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo. Hatreo izany aloha ny vitan’ny Ankoay 3×3, tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika 2023 ity. Ratsy noho ny tamin’ny andiany farany ny vokatra saingy nambaran’ny mpanazatran’izy ireo kosa fa nanome ny tsara indrindra ny ekipa malagasy. Niakatra ny lentan’ny fifaninanana ary mendrika ny toerana azony i Madagasikara. Vonona hanarina ny lesoka izy ireo amin’ny fifaninanana mbola hohatrehina amin’ny ho avy.
Mi.Raz