Fihaona an-tampony iraisam-pirenena : miatrika ny Cop 28 any Dubaï ny filoha Rajoelina

Tsy an-kiandriandry, efa any Dubaï ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo. Niatrika ny fihaonana an-tampony maneran-tany han­dinihana ny fiovaovan’ny toetr’andro (Cop28) ny tenany. Anisan’ireo nihaona taminy ny sekretera jeneralin’ny Fran­kofonia (OIF), i Louise Mushi­kiwabo. Voaresaky ny roa tonta ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena teo sy ny ho fanohizana ny fiaraha-miasa. Anisan’izany ny hanohanana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolontsaina sy ny fifidianana depiote. Eo koa ny hijerena ny sehatry ny fampianarana ambony.
Efa nanomboka ny 30 no­vambra teo ary hifarana ny 12 desambra izao fihaonana an-tampony Cop 28 any Dubaï, Émirats Arabes-Unis, izao. Manana tranoheva « Pavillon de Madagasikara » ao amin’ ny « Blue Zone » isika. Fita­ratry ny fandraisan’andraikitra amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Eo koa ny fifampizarana traikefa, fifanakalo­zana momba ny lohahevitra maro.
Voaasa manokana

Tsara ho marihina anefa, tsy mbola nitondra delega­siona ofisialy ny filoha Andry Rajoelina. Olon-tsotra, vahiny nasaina manokana fotsiny izy noho ny ezaka goavana vitany mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana syn y ady amin’ ny fiovaovan’ny toetrandro. Ho fanajana ny andininy faha 48 amin’ny Lalampanorenana dia tsy maintsy miandry ny lanonam-pianianana amin’ny fomba ofisaly izy vao afaka manao izany. Fihanianana manamarika ny fandraisany ny fitondrana ho amin’ny dimy taona manaraka.
Misolo-tena an’i Madaga­si­kara any an-toerana ny minisitry ny Fitaterana sy ny fa­man­tarana ny toetr’andro Ramon­javelo Valerie sy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, An­dri­antsitohaina Naina. Ma­nampy azy ireo ny minisitry ny Tontolo iainana, Vina Marie Aurelie, sy ny filoha mpisolo toerana eo anivon’ny Anteni­mieran­do­ho­lona, Rabema­nan­jara Nicolas miampy depiote miisa efatra.

Synèse R.

Partager sur: