Grand Tournoi Antananarivo : lavon’ny FC Rouge ny Ajesaia

Nifarana omaly, teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny andro voalohany, fifaninanana baolina kitra “Grand Tournoi Antananarivo”. Lavon’ny FC Rouge tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0 ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava “OPL”. Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, nanindry tanteraka ny ekipan’ny FC Rouge teo amin’ny fizaram-potoana voalohany.
Porofon’izany ny baolina tafiditr’i Pito, mpilalao FC Rouge, teo amin’ny minitra faha-26 sy ny an’i Bolo, lohalaharan’ny FC Rouge, ny minitra 43. Nisy ihany ireo fanafihana azon’ny Ajesaia saingy tsy nifanandrify tamin’ny harato izany.
Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nanomboka nanohitra ny ekipan’i Bongolava, saingy tsy nahita masona harato mihitsy ry Feno, Ajesaia mpanafika. Roa minitra tsy hifaranan’ny lalao, nampian’i Gelot, hirakirakan’ny FC Rouge ny isa teny amin’ny solaitrabe. Araka izany, nifarana tamin’ny isa 3 no ho 0 ny lalao, nandresy ny FC Rouge.
Ankoatra izay, resin’ny Disciple FC, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipan’ny AS Sainte Anne. Marihina fa ity fifanintsanana ity, karakarain’ny ligin’Analamanga. Natao hanomanana ny “Orange Pro League (OPL)”, taom-pilalaovana 2023-2024. Tsara ny mampahafantatra fa hanomboka ny volana janoary 2024 ny “OPL”.

Fitia Randria

Ireo voka-dalao rehetra :
CFFA 2 vs 0 Toulon FC
US Pro 2 vs 1 Cosfa
AS ST Anne 1 vs 2 Disciple FC
FC Rouge 3 vs 0 Ajesaia
AS Spartiates 1 vs 1 Net Foot
Elgeco Plus 3 vs Disciple Espoir

Partager sur: