Manomboka miverina miditra tsikelikely amin’ny sehatra matihanina indray, tamin’ity taona 2023 ity, ny Malagasy mpikatroka, eo amin’ny taranja kick boxing. Malagasy mpikatroka maromaro amin’izao fotoana no miatrika izay ady matihanina izay any Chine, anisan’izany i Rojo. Efa any Chine izy amin’izao fotoana ary manoman-tena fatratra hiatrika izany ady izany. Araka ny fanazavany, “combat professionnel”, izany hoe, efa tena asa mihitsy ilay hatrehany any Chine. Handraisam-bola avokoa, hoy izy, ny ady rehetra izay atao ary tena avo lenta tanteraka. Marihina fa manana ny maha izy azy avokoa ireo Malagasy mpikatroka lasa any Chine ary efa zatra miatrika ady avo lenta. Tsy vao izao no nisy gasy nandeha tany Chine niatrika ady matihanina toy izao. Efa nisy ihany koa, tamin’ny taona 2018 sy 2019, anisan’izany ry Tojo sy ry Fazaraly izay tena matetika nahazo fandresena tamin’izany. Noho ny fisian’ny valanaretina Coronavirus moa, niato kely ny fandehanan’ny Malagasy mpikatroka nankany Chine ary izao manomboka miverina tsikelikely izao indray.
Mi.Raz