Tontosa omaly, teny amin’ ny CCI Ivato, ny fampisehoana niarahana tamin’ny Tarika ‘Zay sy ny tarika Tovo Jhay. « Samy mbola hafa », io no lohateny nampitondraina ity fampisehoana ity. Seho miavaka sy avo lenta tokoa no nasehon’ ireto tarika roa samy manana ny maha izy azy ireto. Nandravaka ny fampisehoana ny hira nahafantarana ny tarika roa tonta. Nisy ihany koa anefa ny fampiaraham-peo izay nambabo ny fon’ny mpijery. Mbola mitoetra ary mbola maro ny mpankafy ireto tarika ireto, na dia eo aza ny firoborobo sy fahamaroan’ny mpahay kanto taty aoriana.
Tafahaona an-tsehatra teny amin’ny CCI Ivato ny mpahay kanto samy manana ny maha izy azy, niaraka tamin’ ny hirany avy. Nentin’ireto mpahay kanto ireto niverina tany amin’ny taona 2000 ny mpijery, nankafy indray ny hiran’izy ireo tamin’izany. Nanakoako teny an-toerana ny hira nahafantarana ny tarika ‘Zay sy ny tarika Tovo Jhay. Hira ho an’ny rehetra ary tena nahitana gadona maro. Niarahan’ny rehetra nankafy ny “Manahirana”, “Efa nomeko”, “Ataovy izay mety”,… Teo ihany koa ny “Angolanao”, “Fihin-tànanao”, “Ilay rendez-vous”, “Mbola hafa”…
Tena samy mbola hafa, araka ny lohatenin’ny fampisehoana tokoa ny tarika roa tonta. Mbola voatazona tanteraka ny naha izy azy avy na dia teo aza ny fahabangana teo amin’ny tarika ‘Zay. Mbola hafa ny kanto sy hira entin’izy ireo. “Mbola hafa ihany izany mankafy tarika ‘Zay izany, indrindra izao miaraka amin’ ny Tovo Jhay izao”, hoy i Mendrika, mpijery fampisehoana.
Lin