Norombahan’i Allemagne ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, “Mondial U17 2023”. Lavon’izy ireo teo amin’ny fandakana “tirs au but” ny zandrikelin’ny Les Bleus. Marihina fa nahintsan’i Argentine tamin’ny tirs au but ihany koa i France nandritra ny famaranana ny “Mondial 2022”, natao tany Qatar.
Nitsidika ny klioba Ajesaia, izay mitaiza kilonga eto Antananarivo ny filohan’ny kaomisionin’ny baolina kitra zandriny eo anivon’ny Federasiona FMF, Raharimino Mario Rosario. Marihina fa mankalaza ny faha-30 taona nitaizana ireo ankizy ao aminy ny Ajesaia. Tsiahivina fa maro ireo Malagasy mpilalao efa tafavoaka tao, anisan’izany i Bôlida, Voavy Paulin, i El Hadary…
Lavon’ny Newcastle FC tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Manchester United, nandritra ny fihaonan’ny roa tonta, notontosaina ny sabotsy lasa teo. Marihina fa tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angletera ity lalao natao ity. Tsiahivina fa mbola manana lalao iray hihaonana amin’ny AC Milan ity klioba ity, mandritra ny andro farany.