« A Wonderful Christmas Time ». Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny « A Wonderful Christmas Time», niarahana tamin’ ny « Voa’Art the National Orchestra of Madagascar » sy ny « Laka Ensemble ». Fampisehoana maroloko sy matihanina ary avo lenta tanteraka no hita teny an-toerana, nahitana hira malagasy sy vahiny maro samihafa.
“Diary Nofy”. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cinepax Ambodivona, ny hetsika momba ny fitantarana angano, andiany fahafito, ao anatin’ny tetikasa “Diary Nofy”. Andriantsialonina Adrienne no niandraikitra ny fitantarana ny angano tamin’ireo ankizy. Raha tsiahivina, tanjona ny fitaomana ny ankizy ho tia vaky boky.
“Prix NO’OCULTURES 2023”. Voahosotra ho mpandresin’ny fifaninanana « Prix No’Ocultures de la critique d’Art en Afrique », andiany fahefatra, teo amin’ ny sokajy Sary Pika, Ramanankavana Elie, Malagasy mpaka sary. Nambabo ny mpitsara ny fandalinana sy fitsikerana nentin’ity mpahay kanto ity tamin’ny haikantony.
“Madagascourt Film Festival”. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga, ny lanonana famaranana ny « Madagascourt Film Festival », andiany faha-18. Nampahafantarina tamin’izany ihany koa ny mpandresin’ny fifaninanana isan-tsokajiny, tamin’ity andiany ity. Anisan’ny nisongadina tamin’izay Randriamahafaly Sitraka, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika.