Nifarana omaly, teny amin’ny Club olympique de Tananarive (COT) Ankadikely Ilafy, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara “Mada 2023”, taranja tenisy. Norombahin’i Nicolas ny amboaran’ny “1ère série”, lehilahy, raha toa ka azon’i Tsanta ny an’ny vehivavy. Nahazo lelavola 6 tapitrisa Ariary avy izy mianadahy.
Marihina fa ity fifaninanana ity, nandraisan’ireo sokajy rehetra anjara, (1ère hatramin’ny 4ème Série) sy ny zokiny “vétérants”. Tsara ny mampahafantatra fa miisa fito ny ligy nandray anjara tamin’ity fifanintsanana ity. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, mpampiantrano, Atsimo Andrefana, Amoron’i Mania, Atsinanana, Boeny, Matsiatra Ambony, Vakinankaratra. Tsara ny mampahatsiahy fa nanomboka ny 27 novambra lasa teo ity Mada 2023 ity.
Tsiahivina fa handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Akomba izany ireo voahosotra ho tompondaka tamin’ny 1ère série, lahy sy vavy ity. Tamin’ny taom-pilalaovana 2022, izay natao tany Antsirabe, i Nicolas kosa nihintsana teo amin’ny famaranana.
Fitia Randria