Miisa 73 ireo nahazo fahazoan-dalana hanondrana jirofo ho amin’ny taom-panondranana 2023-2024. Marihina fa tafakatra 40 000t ny vokatra naondran’i Madagasikara raha 25 000t talohan’izay. Nahatratra 224 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ity vokatra ity.
Zana-trondro tilapia 5 381 no narotsaka ao amin’ny reniranon’Ihosy, mandalo ao amin’ny fokontany Mahiafia, kaomina Ambanivohitra Ankily, ny zoma teo. Tanjona ny hampakarana ny vokatra ao an-toerana izay efa manomboka mihalany taranaka sy ho fampiroboroboana ny toekarena manga.
Mahaliana sy mahasarika Malagasy sy vahiny mpizahatany ny valan-javaboahary Isalo noho ny fananany ireo vakoka sy tolotra miavaka. Tsapa fa manomboka miverina ny fizahantany eto Madagasikara noho ireo hetsika maro samihafa natao eto an-toerana sy any ivelany niarahana tamin’ireo mpisehatra sy mpiara miombon’antoka.
Nizara traikefa sy feno fifanakalozana eo amin’ ny sehatra maro mifandraika amin’ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny toetr’andro ny fivoriamben’ny COP 28 tanterahina any Dubai. Nisy ny « Expo city Dubaï » izay ahitana ny « pavillon Madagascar » nandritra ny hetsika. Manana
anjara fandraisam-pitenenana rahateo ireo misolontena ny Nosy malagasy.