Voaroba ny vola 1 800 000 Ar : zanaka mpandraharaha maty voarasa antsy

Maty norasarasain’ny jiolahy antsy ny raim-pianakaviana iray tao Ambolomadinika, Toa­masina, ny sabotsy 2 desambra teo. Lasa ny vola an-tapitrisa.
Tsy tana, ny alahady ma­raina teo, ny ain’ilay lehilahy lasibatry ny asan-jiolahy hi­tan’ny mpitandro filaminana nihosin-dra tao Amboloma­dinika, ny faran’ny herinandro teo. Zanaka mpandraharaha ao Ambahavala, kaominina ambanivohitra Ampasina Ma­ningory, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, io lasibatra io. Nentin’ny polisy namonjy sam­pana vonjy aina eo ani­von’ny hopitaly CHU Analakin­inina izy. Nisedra olana ara-teknika anefa ka voatery nafindra tao amin’ny CHU Morafeno hamonjena ny ainy, io sabotsy 2 desambra io ihany. Be loatra ny ra very sy nisy lalandra tapaka tamin’io lehilahy io ka nitarika tamin’ny famoizana ny ainy.
Efa-dahy voasaringotra…
Avy niaraka tamin’ny namany fony fahakeliny izay mpitandro filaminana tao Ambalamanasy, io lehilahy io. Namonjy fodiana, nosakanana lehilahy efa-dahy izy. Nitondra antsibe ireo olon-dratsy ka norasainy tamin’izany ilay lasibatra. Voa mafy teo amin’ny faritry ny lohany ity farany. Nalain’ireo mpandroba ny vola sy ny finday teny aminy. Nitsoaka nandositra izy efa-dahy. Mbola tsy tapitra anefa ny ain’io lehilahy io ka afaka nilaza tamin’ireo na­monjy azy ny zava-nitranga rehetra. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ao an-toerana momba io tranga io.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: