Taorian’ny andrana farany izay natao ny alahady lasa teo teny Mahamasina, Malagasy mpilalao dimy nanaovan’ireo teknisianina vahiny fanadihadiana manokana “entretien individuelle”. Raha ny fanazavana voaray tamin-dRamisamanana Lova, lehiben’ny LNR Sport Management, omaly, hahazo fanasana avy amin’ireo klioba vahiny izy dimy mirahalahy ireo rehefa manomboka ny “mercato d’hiver”. Tsiahivina fa efa lasa nanao tatitra mahakasika ny dian’izy ireo taty Madagasikara ireo mpitily vahiny efatra ireo. Anisan’ireo mpitily tonga teto amintsika i Abdenord Belkaci, Losc Lille D1 France, i Wassim Gharmoul, White Caps D1 Etats Unis, i Helmin Lousaief, Club Africain D1 Tunisie ary i Demba M’Baye, RS Berkane D1 Maroc. Ankoatra izay, hotazomina sy homena fiofanana araka ny filany avy ireo mpilalao 20 tafajanona eto an-toerana. Anisan’izany ny fanomezana azy ireo fiofanana arakasa sy fahalalana momba ny “informatique”. Marihina fa miara-misalahy amin’ity hetsika ity ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), ny LNR Sport Management ary ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Fitia Randria