Nifarana ny fotoam-piasan’ireo eo anivon’
ny biraon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, filoha
lefitra fa hatao anio, ny famindram-pahefana ho an’ny birao vaovao.
Namory ireo mpanao politika sasany, Ravalomanana Marc, omaly. « Tsy ny toerana na ny voninahitra no tadiavintsika fa ny fanavotana ny vahoaka », hoy izy. Nanteriny fa eken’Andriamanitra ny zavatra rehetra hiseho fa tsy ny zava-drehetra koa anefa no sitrapony.
“Tsy natao ho an’olon-tokana i Madagasikara fa antsika Malagasy”, hoy ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, tamin’ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Nambarany fa tsy hiray tendro amin’ny famotehana ny tanindrazana ny tenany. “Hijoro hatrany”, hoy izy.
Takin’ny Transparency International – IM
ny hampitsaharana ny tsindry politika atao amin’ireo mpisintona lakolosy eo amin’ny fiarovana ny tontolo
iainana. “Mifanohitra tanteraka amin’ny fanovana
ho tontolo maitso an’i Madagasikara izany”, hoy izy ireo.