FARITRA ATSINANANA : nirary soa ny filoha Rajoelina Andry

Tsy niandry ela. Naneho ny hafaliny sy firariantsoa avy hatrany ny avy amin’ny faritra Atsinanana manontolo, tamin’ny alalan’ny governora, Rafi­dison Richard Théodore, mivady. “Midika ho fitohizan’ny asa fampandrosoana ny faritra, amin’ny alalan’ny fa­namboarana ireo fotodrafitrasa goavana, hanala ny fahasahiranam-bahoaka izao fahalanianao izao”, hoy izy.
Notanisainy tamin’izany ny lalambe migodana “Auto­route” sy ny lalana ao Toa­masina. Ny mampitohy an’ i Mahanoro sy Marolambo, ny Mahanoro-Vatomandry, ny ao Ilaka Atsinanana sy Anta­nambao Manampotsy.
Eo koa ny famoronana asa amin’ny alalan’ny fitohizan’ny tetikasa “Volobe II”. Manampy izany ny fanantenana lehibe amin’ny ahafahana mampiasa ny tamberim-bidin’ny fitrandrahana avy ao amin’ny tetikasa Ambatovy (Ris­tournes minières). “Andran­drain’ ny faritra sy ny kaominina maro hitondra fampandrosoana mivaingana ireo”, hoy izy. Nitsodrano ny filoha Rajoelina Andry, hahefabe ny fitantanana ny firenena amin’izao fe-potoam-piasana fanindroany izao indray izy ireo.

Sajo sy i Synèse R.

Partager sur: