Renirano Kamoro Maevatanana: mpitrandraka volamena an-tsokosoko tratra

Miverina indray ny fitrandrahana an-tsokosoko volamena ao amin’ny reniranon’i Kamoro any Maevatanana. Nidina ifotony ny minisitera, ka teratany vahiny miisa 10 no tratra.

Nahazo fitarainana ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), fa misy indray ireo mpitrandraka volamena an-tsokosoko ao amin’ny reniranon’i Kamoro, kaominina Marokoro, distrika Maevatanana. Tonga tany an-toerana ny tomponandraikitra ao amin’ny minisitera, ny fitantanam-paritra Boeny sy ny BAM Maevatanana ary ny mpitandro filaminana, indrindra ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny tany (Polices des mines), ny faran’ny herinandro teo.

Voamarina tokoa ny fisian’ny fitrandrahana an-tsokosoko, ary mampiasa fitaovana harifomba mihitsy izy ireo, nefa tsy manana taratasy ara-dalàna. Miisa 10 ny teratany vahiny aziatika tratra ary nosamborina. Efa natao famotorana sy nanaovana fitanana an-tsoratra izy ireo.
Tsy mety fay
Tsy voalohany no naharaisan’ny minisitera fitarainana sy nidina ifotony tany Marokoro toy
izao. Efa nandray andraikitra ny minisitera tany Tsiandrarafa, tany Antsira ary Madisovato, izay samy ao ana­tin’ny kaominina Marokoro avokoa. Na efa nisy aza ireo voasambotra sy nampidirina am-ponja, tsy mety fay fa mbola mitohy foana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna any amin’ny renira­non’i Kamoro. Misy amin’izy ireo mitrandraka manana halava hatramin’ny 10 km.
Nilaza ny sekretera jeneralin’ny MMRS, Razananirina Henri Délice, fa tsy hihemotra amin’ny fametrahana fanjakana tsara tantana izy ireo, na lavitra sy saro-dalana aza ny any an-toerana. Tanjona ny hahalalana ny tena atidoha maniraka ireo vahiny mitrandraka tsy ara-dalàna.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: