Anisan’ny Malagasy mpanatontosa sarimihetsika nisongadina nandritra iny «Madagascourt Film Festival» (MFF), andiany faha-180 farany teo iny, i Sitraka Randriamahaly. Voafidin’ny mpitsara homena ny « Mention spéciale », tao anatin’ny sokajim-pifaninanana « Animation Panafricaine » izy, niaraka tamin’ilay horonantsary « Rough world ». Araka ny nambarany, ao anatin’ny vina ny amin’ny hiatrehana ny PIAFF 2024, any Paris izy amin’izao miaraka amin’ny horonantsariny “Rough World”.
Tafaverina eo amin’ny vovonan’ny Cinema d’animation malagasy i Sitraka Randriamahaly, niaraka tamin’ity vokatra vaovao ity. Miresaka firenena mahantra iray sy ny harenany ary ny vahiny eo amin’izany firenena izany ity horonantsary ity. Anisan’ny nahafantarana an’i Sitraka Randriamahaly ny fikambanana Animanakay, ity farany izay ivondronan’ireo Malagasy mpanatontosa horonantsary fanentanana. Nahalalana azy ihany koa ny horonantsary “Hazalambo” sy ny “Sokaky”, ny taona 2011. Ny “Iny hono izy ravorona” ny taona 2012 ary ny “Rough life” ny taona 2015, izay nahazoany ny amboaran’ny MFF, tamin’izany fotoana izany. Anisan’ ireo mpanatontosa nisitraka fiofanana mahakasika ity karazana horonantsary iseharany ity, tany Allemagne, izy ny taona 2014.
Lin