Ny alahady lasa teo, naneho ny heviny mahakasika ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, Rakotomalala Njiva, Malagasy lohalaharana Barea. Nanazava ny fahitany ny mpilalao sy ny lalao roa natrehan’izy ireo, nandritra ny andro voalohany sy faharoa, ny ady tapakilan’ny “Mondial 2026”, ny tenany tamin’izany.
Tonga nanotrona ny fifaninanana « Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA) » teny amin’ny kianjan’ Ambohidratrimo ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Nilaza moa ny tenany fa zava-dehibe ny fisian’ny fifaninanana toy izao, entina manatsara ny vokatra eto amintsika.
Notanterahina omaly, tany Espagne, ny fihaonana teo amin’ny FC Barcelone sy ny Athletico Madrid. Lavon’ny Barcelone tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Athletico tamin’ity lalao izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne “Liga”, ity. Ilay mpilalaon’i Athletico teo aloha, Joao Felix, izay nifindra Barça ankehitriny no nahatafiditra ny baolina.
Rafael Nadal, Espaniola mpilalao tenisy, hiatrika ny fifaninanana “classement protégé”. Ity fifanintsanana ity izay natao ho an’ireo mpilalao maratra ka tsy afaka niatrika lalao maro. Marihina fa tsy anisan’ireo dimy voalohany amin’ny filaharan’ny ATP intsony i Nadal. Miisa 22 izay ny “Grand Chelem” efa azony.