Taranja tolona: tsy nanatrika ny « Tournoi de Noël » tany La Réunion ny Malagasy

Nifarana ny alahady teo ny fifaninanana « Tournoi de Noël” natao tany La Réunion. Tsy tonga tany an-toerana ny Malagasy.

Noho ny tsy fahavitan’ny taratasy « visa », tsy afaka nanatrika ny fifaninanana « Tournoi de Noël », natao ny 1 sy 2 de­sambra lasa teo, tany La Réu­nion, ny Malagasy. Ny taona 2024 ho avy izao kosa dia hihazo any amin’io nosy io, ireo Malagasy vehivavy, Randrianandrasana Sarah Brillante, sokajy latsaky ny 73 kg sy Rasoanomenja­nahary Nathalie (-53 kg).
Marihina fa hanao ny fianarana ara-panatanjahantena « sport étude » any amin’ity nosy rahavavy ity izy ireo ka ny klioban’ny St Joseph no handray azy ireo amin’izany. Raha ny fanazavana azo tamin’ny filohan’ny Federa­siona malagasin’ny tolona, Raveloson Mamitiana, omaly, dia hanatrika ny “tournée européenne” miaraka amin’ity klioba ity izy mirahavavy.
Tsiahivina fa i Sarah, 15 taona, izay efa nahazo medaly alimo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika U17, sokajy vehivavy, izay natao tany Tunisie, ny volana mai lasa teo. Raha ho an’i Natha­lie, 17 taona, efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasi­kara ny tenany.
Nanambara ihany koa ny filohan’ny FMT, fa hisy ny fivoriambe ara-potoana (AG) izay hataon’ny federasiona afaka fotoana vitsy. Tsara ny mampahafantatra fa nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, nahazo medaly volamena miisa 11 sy volafotsy 8 ary alimo 2 i Madagasikara tamin’ity taranja ity.

Fitia Randria

Partager sur: