TARATRY ny KANTO

Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny Aka­demia Malagasy, Tsimbazaza, ny « Andro Régis Rajemisa-Raolison ». Lohahevitra amin’izany ny « Régis Rajemisa-Raolison, (1913-1990) : oloben’ny teny, ny literatiora, ny kolontsaina malagasy ary ny fampianarana sy ny fanabeazana ». Hetsika hotanterahina ny alakamisy 7 desambra, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny hisian’ny velakevitra miisa 5 hotanterahina mpikaroka.

Dingana lehibe ho an’i Njara Marcel. Tontosa ny fanamby goavana ho an’ity mpanakanto ity, nandritra ny seho voalohany sy goavana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny faran’ny herinandro teo. Seho matihanina sy tsara homana no nasehony. Mitohy kosa ny “Ihafiako Tour”, ka manome fotoana ireo mpankafy azy amin’ny fetin’ny faran’ny taona, any amin’ny Espace Vacances Andrianina Manambato izy sy ny ekipany.

« Disco Afrika : A Malagasy Story ». Anisan’ ireo mandray anjara amin’ny “Festival International du Film de Marrakech », andiany faha-20, ny horonantsarin’i Luck Razanajaona, nampitondrainy ny lohateny hoe “Disco Afrika: A Malagasy Story”. Fiaraha-miasany tamin’i Jonathan Rubin sy Herizo Rabary izao vokatra izao.

Partager sur: