TSELATRA

Lehilahy iray tsy nisy loha indray no hitan’ny fokonolona tao Ilakaka, afakomaly tolakandro. Efa ho telo herinandro io lehilahy io no novonoina raha ny voka-pitiliana nataon’ny mpitsabo. Potika tanteraka ny razana saingy hany sisa namantarana azy ny kara-panondro teny aminy.
Mpisandoka ho kalanoro roa lahy voasambotry ny fokonolona tao Andapa, ny faran’ny herinandro teo. Miantso olona amin’ny alalan’ny finday sy manao feo hafahafa izy mirahalahy. Mitonon-tena ho kalanoro ary mahay mampitombo vola. Nentin’ny manam-pahefana hatao famotorana izy roa lahy.
Fiara iray nitatitr’olona tra-doza teo amin’ny 70 metatra tsy hidirana ny sakan’ny zandary eo amin’ny RN.7 PK 31 +570  tao Ambatolampy, ny 1 desambra teo. Nivadika ny fiara, naratra ny olona 10 tao anatiny. Vehivavy bevohoka ny iray. Harerahan’ny mpamily vokatry ny tsy fahampian’ny torimaso no niteraka ny loza.

Partager sur: