VOLA SANDOKA : jiolahy roa nahatrarana vola 1 080 000Ar

Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary ireo jiolahy roa nahatrarana vola sandoka mitentina 1 080 000Ar tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Milanoa, distrikan’i Vohémar, ny 29 novambra 2023 teo. Mampitaraina ny mponina ny fisian’ireo vola sandoka miparitaka ao amin’ ity kaominina ity ka antony nahatonga ny zandary nanao hetsika manokana hamongorana sy hikarohana ireo tompon’antoka amin’izany. Nahi­tam-bokany ny ezaka nataon’ ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Vohémar satria jiolahy roa tratra. Malaza ratsy amin’ny fanaparitahana vola sandoka sy manao fandrobana ireto jiolahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny zandary. Hita tany amin’izy ireo, nandritra ny fisavana nataon’ny zandary, ny basy vita tanana iray. Vola sandoka natao dika mitovy mitentina 1 080 000Ar izay nokasaina haparitaka amin’ ireo tantsaha, amin’ny alalan’ ny fividianam-bokatra. Fan­tatra fa tsy mijanona amina toerana iray ry zalahy rehefa manaparitaka ireo vola sandoka ireo, araka ny fanazavany nandritra ny famotoran’ny zandary.
Ao anatina tambajotran-jiolahy izy ireo, saingy tsy mety miteny ireo atidoha sy tompon’antoka amin’izao fanamboarana vola sandoka izao.

J.C

Partager sur: