Volley-Analamanga : nahazo mpitsara 25 vaovao

Volana vitsy nijoroany, miezaka mampandroso hatrany ny taranja volley-ball, ny eo anivon’ny ligin’Analamanga. Tao­rian’ny fifaninanana « service, réception, attaque », niroso tamin’ny fanofanana mpitsara indray ny LRVB, nanomboka ny faramparan’ny volana novambra teo. Vita ny fanadinana ho an’ireto mpiofana ho mpitsara ireto, ny 25 tamin’izy ireo no afa-panadinana ka voatendry ho mpitsara vaovao eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja volley-ball. Mbola misy ny fanaraha-maso akaiky azy ireo amin’ny fitsarana lalao ataony mba ho tena matihanina tanteraka, araka ny fanazavana azo. Olana mateti-pitranga ny tsy fahafehezan’ny Malagasy mpitsara ny fitsarana lalao, rehefa misy fifaninanana. Antony lehibe nandrisika ny ligy hanome fiofanana matihanina sy ha­nampy isa ireo mpitsara eto Analamanga izany.
Etsy ankilany, mizotra antsakany sy andavany ny fiadiana ny ho tompondaka an’Analamanga, taranja volley-ball. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny andro voalohany, hatao ny 9 sy 10 desambra izao ny andro faharoa. Hiato kely ny fifaninanana ny 15 sy 16 desambra ary hiditra amin’ny andro fahatelo kosa ny 23 sy 24 desambra izao.

Mi.Raz

Partager sur: