“World Choral Day”: haneho an-tsehatra ny “Messiah” ny ICanto

Andro iraisam-pirenena ho an’ny antoko mpihira. Mankalaza izany koa isika eto Madagasikara. Seho klasika anisan’ny malaza indrindra no hanamarihan’ny ICanto izany.

Nanomboka ny taona 1990 no nanamarihana ny « World Choral Day ». Nosafidiana maneran-tany fa isaky ny alahady faharoan’ny volana desambra no hatokana ho an’ireo antoko mpihira, ka miovaova ny daty, araka izany. Ho an’ny antoko mpihira ICanto, fanindroany amin’ity taona ity no hanamarihin’izy ireo izany. Seho klasika miavaka sy anisan’ny malaza indrindra maneran-tany no nosafidian-dry Fitah Rasendrahasina, mpitarika ny ICanto, sy ny ekipany amin’ity.
Hasehon’izy ireo indroa miantaona ny “Messiah”, seho klasika, sanganasan’i Georg Friedrich Haendel. Ny alakamisy 7 desambra izao, ma­nomboka amin’ny 7 ora hariva ny voalohany ary ny alahady 10 desambra amin’ny 3 ora sy sasany kosa ny faharoa, samy hotontosaina ao amin’ny Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro.
Ilay seho nafohezina amin’ ny “Messiah” no nosafidian’ny ICanto haseho an-tsehatra. Na izany aza, manaja ny firafitry ny tantara izy ireo, ary tsy handingana ireo hira malaza indrindra mandrafitra ity sanganasan’i Haendel ity. Fanta­tra bebe kokoa tamin’ny fanasongadinana ny feo, amin’ny alalan’ny acapella ny ICanto. Nisafidy ny arahina orikesitra kosa izy ireo amin’ity. I Faniry Rakotoarison (soprano), Rindra Rajeriarison (mezzo soprano), Safidy Randriama­nanjara (tenor) ary i Ducasse Ratendriharisolo (beso) no ho eo ambany fitarihan’i Fitah Rasendrahasina amin’ity.
“Mihira miaraka. Mihira hatrany. Mihira ho an’ny fandriampahalemana ». Io raha adika tsotsotra ny lohahevitra voizina mandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny antoko mpihira, amin’ity andiany faha-33 ity. Toy ny isan-taona, misy ny hafatra avy amin’ny Federa­siona iraisam-pirenen’ny antoko mpihira, izay adika amina fiteny maherin’ny 30, ka anisany ny teny malagasy.

Zo ny Aina

Partager sur: