Nitrangana vaky fasana tao Ankiranomena fokontany Andoharano, distrikan’Ambatomainty, afakomaly. Nahazo fitarainana avy amin’ny tompom-pasana ny kaomandin’ny boringadin’Ambatomainty. Nidina nanao fanadihadiana avy hatrany ny zandary. Voamarina ny tranga nandritra ny fizahana ny toerana. Vato mifanongoa voajanahary ity navadika ho natao fasana fandevenana ity. Nisy nanokatra anefa ny fasana. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izany ny taolan-dava efatra. Tsy voakitika ny razana hafa ankoatra.
Nomarihin’ny fianakaviana, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary hatrany, fa efa ho iray volana eo ho eo no namakian’olon-dratsy ny fasana. Vao afakomaly kosa izy ireo no nahatsikaritra izany. Hatramin’izao aloha, tsy mbola fantatra izay tompon’antoka sy nahavanon-doza.
Mitohy, araka izany, ny famotorana ataon’ny zandary. Anisan’ireo faritra ahitana trangana vaky fasana matetika amin’iny faritra iny, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J.C