“Cop 28”- Dubaï : Andro manokana ho an’i Madagasikara

Natokana ho andron’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, na “Wash Day”, omaly 5 desambra, tany Dubaï tao amin’ny tranoheva manokana, Pavillon Madagasikara. Mandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana, “Cop 28” no nanaovana izany, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo.
Anisan’ny lohahevitra noresahina, nandritra ity fotoana ity, ny «fahaiza-mitantana ny rano eto Madagasikara», «ny fiatrehana ny krizy amin’ny rano», «ny famatsiam-bola an’i Mada­gasikara ho an’ny hoavy maharitra».
Firenena manana rano betsaka i Madagasikara. Saingy, miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, satria misy ny tondradrano, nefa miaina haintany ny faritra sasany. Tsy maintsy jerena, noho izany, ny tetikasa ahafahantsika miatrika ny fiovan’ny toetr’andro.
Nilaza ny minisitra, Ravokatra Fidiniavo, fa ilaina ny fifanomezan-tanana satria tsy afaka mandeha irery i Madagasi­kara. Misitraka rano fisotro madio ny 53% amin’ny malagasy, raha misitraka fotodrafitrasan’ny fanadiovana sy fidiovana ny 39%.

Njaka A.

Partager sur: