Notanterahina omaly, tetsy Anosy, ny fiarahabana ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nisy ny fisaorana ireo birao teo aloha.
Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, sady filoha lefitra tamin’izany fa tsy mora ny asa tao anatin’ny telo taona nefa tsy maintsy notanterahina. Anisan’izany ny fanapahan-kevitra miisa 500 ho amin’ny famindran-toerana mpitsara. Miisa 3 188 ireo raharaha nandalo teo anivon’ny CSM. Mahakasika ny fitsipi-pitondran-tenan’ny mpitsara ny 13% amin’izany. Eo koa ny momba ny fitantanana ny asan’ny mpitsara.
Etsy andaniny, miisa 11 ireo fanendrena tomponandraikitra isan’ambaratonga eny anivon’ny sampam-pitsarana ary miisa 62 ireo fangatahana fiofanana.
Betsaka ny asa miandry…
Nankahery ireo mpikambana vaovao amin’ny asa miandry mandritra ny telo taona ho avy ny minisitry ny Fitsarana. “Betsaka ny vitan’ny mpikambana teo aloha, ary antenaina fa tsy ho latsa-danja amin’izany ny ho avy”, hoy izy.
Nitohy tamin’ny fanoloran’ny minisitra mari-pankasitrahana ireo mpikambana teo aloha izany. Marika fa nahatontosa sy nahavitabe teo amin’ny andraikitra nankinina taminy izy ireo.
Tsiahivina fa miisa 20 ireo mpikambana eo anivon’ny CSM ka filoha fara tampony amin’izany ny filohan’ny Repoblika.
Synèse R.