fanenana ny entona karbona : nahazo 8,8 tapitrisa dolara i Madagasikara

Mitentina 8,8 tapitrisa dolara ny vola azon’i Mada­gasikara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena entina hanenana ny entona karibona. 1,76 tapitrisa taonina ny entona ratsy, nandritra ny taona 2020. Firenena fahatelo aty Afrika nandoavan’ny Banky iraisam-pirenena vola ho fampihenana ny entona vokatry ny fahasimban’ny ala ny firenena malagasy, ilay antsoina hoe REDD+. Fandoavam-bola amin’ireo telo ao anatin’ny fifanarahana amin’ny fanampiana omen’ny Tahirim-bola ho an’ny fiaraha-miombon’antoka ho an’ny karibona avy amin’ny ala (FCPF) ity natao ity. Indrindra amin’ny tokony hahazoan’i Madagasikara vola mitentina 50 tapitrisa dolara, hampihenana ny en­tona (CO2) hatrany amin’ny 10 tapitrisa taonina hatramin’ ny faran’ny taona 2024, any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy izay tena manan-karena ala. Ahafahana miaro ny ala Rohivoahary

Niarahaba an’i Madagasi­kara noho ireo dingana vitany ahafahana misitraka ny fandoavam-bola avy amin’ny ERPA i Atou Seck, tomponandraikitra iray ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Ni­laza izy fa mamatsy ny rohivoahary ilaina miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny zavaboahary ny ala any amin’ny faritra atsi­nanana.
Anisan’ireo firenena valo ahitana ireo karazan-javaboahary misongadina maneran-tany i Madagasikara ka mila arovana, noho izy ahina ho lany tamingana, na eo aza ireo hetsika sy dingana efa vita hatramin’izay.

Henintsoa Hani

Partager sur: