Fanomanan-tena: hidona amin’i Maroc sy i Mozambique ny Barea

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina amin’ny volana janoary ireo lalao roa ireo.

Tafiditra ao anatin’ny fa­nomanan-tenan’ny ekipam-pirenena Mala­gasy, dia mety hisy lalao ara-pirahalahiana hifandonan’ny Barea amin’i Maroc sy i Mozambique. Nanambara izany i Rakotondrabe Romuald Felix (Rôrô), mpanazatra ny Barea, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, afakomaly. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina amin’ny volana janoary ireo lalao roa ireo. Tsy mbola nambarany kosa ny kianja hanatontosana ny fihao­nana.
Ankoatra izay, manoloana ireo resa-be miparitaka ao anaty tambajotra momba ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena, nanao antso avo izy mba hampitsahatra sy tsy haneho hevitra mahaka­sika azy ireo intsony. “Fano­ha­nana sy fanampiana ireo mpilalao no tokony hatao fa tsy fanakianana”, hoy izy.
Tsiahivina fa any amin’ny volana jona 2024 indray vao hiditra an-tsehatra hanohy ny fifanintsanana hiadian-toe­rana ho an’ny “Mondial 2026” ny Barea, Handray an’i Co­mores sy i Mali eo amin’ny andro fahatelo sy fahefatra isika.
Hatramin’izao, eo amin’ny laharana fahatelo ny Barea de Madagascar ao amin’ny vondrona “I” misy azy, manana isa 3. Mitarika i Comores, nahazo isa 6, arahin’i Mali, isa 4. Ghana ny fahefatra manana isa 3, arahin’i Centrafrique, isa 1 ary farany i Tchad tsy mbola nahazo isa.

Tompondaka

Partager sur: