FANTINA sy FINTINA

Hisahana asa telo ny Dr Rakotozafy Denis. Hitondra ny FFKM, manomboka amin’ny taona ho avy. Eo koa anefa ny handraisany ny toeran’ny filohan’ny FFPM, isoloany ny mpitandrina, Andriamahazosoa Irako Ammi, filoha teo aloha ary ny maha filohan’ny FLM azy.

Notendren’ny papa Fransoa, ho evekan’ny diosezin’i Taolagnaro ny mompera, Razafitsimialona Luc Olivier. Hisolo ny Mgr Rakotozafy Vincent. Hitsahatra amin’ny fitantanana pastoraly noho ny fahatrarany ny fetran-taona ity farany manomboka izao.

Hametra-pialana ny 16 desambra izao ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Aorian’ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, kosa no tokony hitsangana ny governemanta, vaovao.

Miantso ny hery velona tsy an-kanavaka ireo raiamandreny ara-drazana, hanatrika ny fihaonambe, hokarakarain’izy ireo. Hatao ny 13 sy 14 desambra izao eny Andavamamba izany ary hamoahana ny tondrozotra ho an’ny firenena.

Partager sur: