Fasankarana-Anosizato: hamboarina ny lalana mirefy 3,2 km

Anisan’ny mampitaraina ny mpampiasa lalana ny eny amin’ny Fasankarana, mivoaka any Anosizato. Hamaha ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny fanarenana azy tanteraka.

Nanomboka omaly, ny fanarenana ny lalana eny Ankadimbahoaka, Fasankarana, Anosizato. Haharitra enina herinandro ny asa, ka hifarana amin’ny 19 desambra ny dingana voalohany, fa hiverina hitohy indray manomboka ny 5 janoary 2024.
Mirefy 3,2 km ny lalana hamboarina, ataon’ny orinasa Colas. Miainga eo amin’ny fihodinana (rond point) An­kadimbahoaka, mandalo ny toby fiantsonana Fasankarana ary miafara any amin’ny fivarotan-tsolika Anosizato. Avy amin’ny Loharanom-bola miditra amin’ny fanjakana ato anatiny (RPI) ny vola hanaovana azy.
Hatao godirao matevina daholo ity lalana ity. Trongi­si­na tanteraka ny ampahan-dalana tena potika. Mirefy 6 hatramin’ny 7 metatra ny sakan’ny lalana, miampy iray metatra avy amin’ny sisiny roa sady asiana tatatra. Tsen­tsemana godirao kosa ny lavadavaka.
Saika efa vita avokoa ny ampahan-dalana ratsy eto an-drenivohitra amin’izao fotoana. Toy ny eny Ankadimba­hoaka, 67 ha, Andavamamba, Ankasina, Ampefiloha, Be­horirika, Antanimena, Bel’air, Ambanidia, sns. Anisan’ny tena andrasan’ny mpampiasa lalana ity eny amin’ny Fasan­karana ity.

Mandritra izao asa atao izao, misy ny fandaminana mandrindra ny fifamoivoizana eny an-toerana. Misy fotoana voatery mikatona tanteraka ny lalana eny amin’ny Fasan­karana, ka tsy maintsy ha­siana ny fiviliana. Mihodina any Namontana na any Ano­sibe ny fiara hihazo an’Anosi­zato.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: