Filoha Rajoelina Andry : niarahaba i Maraoka sy i Sina

Tsy mbola nifarana ! Nia­ra­haba sy nirary soa ny filoha Andry Rajoelina sy ny vahoaka malagasy ny fanjakana Ma­raokanina sy Sinoa.
Nampita ny hafatra, tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Wang Wenbin, ny filohan’i Sina amin’izao nahavoafidy indray ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, izao. Nivoitra tamin’izany ny fiderany ny ezaka vitan’ny filoha. “Resy lahatra tanteraka izahay tamin’ny nanatanterahana ireo fandaharanasa goavana vitany teo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena”, hoy izy. Manan­tena ny hitohizan’ny fiaraha-miasa efa nisy hatry ny ela eo amin’ny firenena roa tonta sy ny hampivelarana bebe kokoa ny fifanakalozana ny fitondram-panjakana Sinoa, araka ny fanambarana hatrany.

Mbola nangina
Etsy andaniny, nanamafy izany ny Andriamanjaka Ma­rao­kanina, Mohamed IV. Nam­barany fa hitohy hatrany ary hiitatra ny fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana roa tonta, indrindra ny fifandraisana eo amin’ny va­hoaka malagasy sy ny Ma­raokanina ary indrindra ny samy vahoakan’ny kaontinantan’i Afrika.
Tsiahivina fa anisan’ny efa niarahaba sy nirary soa ny filoha Andry Rajoelina koa ny ankamaroan’ireo filoham-panjakana Afrikanina sy ny avy any Brezila, ny praiminisitra Indianina… Tsy mbola nanao izany kosa ny ankamaroan’ireo firenen-dehibe tandrefana, tahaka an’i Etazonia, Frantsa, Alemaina…

Synèse R.

Partager sur: