Misy mpiray ombon’antoka azo ambara ho matihanina no tsy maharaka ny fivoaran’ny fiheverana ny fahasembanana, ka miteraka olana amin’ny fifehezana ny fampiatiana. Io ny nambaran’ny filohan’ny tambajotra malagasy ho an’ny fahasembanana, Rakotondrazafy Falihery.
Entanina ny mpiasan’ny fahasalamana hanao tomban’ezaka ny asa vita rehetra nandritra ny taona amin’ny sampana misy azy avy. Toromarika avy amin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo.
Ho fifankaherezana hatrany sy ho tohin’ny lohahevitra nifampizarana dia horesahin’ny Amadia indray ny mahakasika ny diabeta sy ny fiatrehana ny fiainana. Hatao eny Faravohitra izany ny sabotsy izao. Hisy ny fizahana ara-pahasalamana sy fanaovana ny dosage HbA1C (Hémoglobine glyquée).
Misokatra ny maison du projet, etsy Antetezana Afovoany. Mitondra fanampim-panazavana, mandray fitarainana ho an’ireo te hahafantatra misimisy kokoa momba ny tetikasa « Produir ». Misokatra ny alatsinainy hatramin’ny zoma, amin’ny 8 ora – 4 ora tolakandro. Ho an’ireo tokony handray onitra dia misy olona afaka manampy amin’ny fandrafetana ny taratasy rehetra izay ilaina ao.