Itaosy : lehilahy maty voatsatok’antsy

Lehilahy iray vao erotrerony hitan’ny fokonolona nihosin-dra nitsirara tamin’ny tany tao amin’ny fokontany Am­bohi­janamasoandro Itaosy, omaly maraina. Tsy nisy aina intsony io lehilahy io ary nihohoka. Voaletra antsy teo amin’ny ambavafony io lehilahy io. Mpandalo vao maraina no nahatsikaritra ny fisiany ka nampandre avy hatrany ny manodidina. “Tsy mbola misy azo hambara fa anatin’ny fanadihadiana tanteraka”, hoy ny nambaran’ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Etsy ankilany, ahin’ny mponina ho olona eny amin’ny manodidina ihany no nahavanon-doza. “Tsy avy eto an-toerana io lehilahy lasibatra io”, hoy ny solontenan’ny mponina teo amin’ny toerana nahitana ny razana. “Ahina ho efa novonoin’ny olon-dratsy tamin’ny toerana tsy lavitra ny nahitana ny fatiny io lehilahy io saingy mbola nikiry handeha ity farany kinanjo maty”, hoy hatrany izy ireo. Nentin’ny manodidina nihazo ny tranom-patin’ny hopitaly Itaosy ny vatana mangatsiakan’io niharan’ny vono olona io.

Tsiferana R.

Partager sur: