Izay voky no mangina

Efa hita miparitaka amin’ny fitaovan-tserasera fa hanao ny fianianany amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy, ho amin’ny dimy taona manaraka i Andry Rajoelina. Efa mandamindamina izany avokoa ny ekipa rehetra, indrindra ny eny an-dapa. Adidin’izy ireo rahateo ny mamolavola sy mandamina izany mba tsy hisy ny lesoka. Mariky ny ho fahombiazana na tsia amin’ny dimy taona manaraka rahateo ny zava-hiseho amin’io andro io.
Lanonana goavambe ara-pitsarana ho arahina fety hiarahan’ny vahoaka malagasy mifaly no anatin’ny fandaharam-potoana ny tontolo andron’ny 16 desambra ho avy izao. Anisan’ny mampiavaka ny filoham-pirenena mivady rahateo ny fahaizan’izy ireo mikarakara hetsika goavana mifono hafatra lalina ho an’ny mpiray tanindrazana. Mipetrapetraka sy vita kajikajy amin’ny antsipirihany avokoa ny mikasika izany.
Mifanindran-dalana amin’izay indrindra no hiandrandran’ny vahoaka malagasy tsivakivolo fanatsarana ny andavanandrom-piainany. Ambetin-tenin’ny filohan’ny Repoblika nandritra ny fampielezan-keviny ny ho fanomezan-danja ny sosialim-bahoaka. Fanamby goavana, mitaky ezaka tsy hita nohanoha izany. Tsy vitan’ny kabary ambony vavahady fotsiny, fa mitaky asa goavana amin’ny fitondrana mijoro eo.
Sehatra iray, tsy hisangisangin’ny Malagasy rahateo ny fanaovana tsinontsinona ny maha olona azy. Raha noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy. Ny tsinay rahateo tsy mba vatsy, ny kibo tsy mba lamosina. Tsy maintsy mitady ny hirika hanatanterahana ny toky nomena ny fanjakana. Tsy afaka ny hanao kinanga, satria efa iaraha-mahalala ny lalao politika maloto eto amin’ny tanàna.
Ny kibo voky no mifehy ny vava tsy hiteny sy tsy hanaiky mora ny fanambakana. Mba ho vaindohan-draharaha tokoa, araka izany, ny famokisana vahoaka mba ho mpiantsehatra fototra amin’ny fampandrosoana.

r.r

Partager sur: