Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an-dRaharimanana Jean Luc. Hatolotra azy rahampitso indray ny « Prix international de littérature francophone Benjamin Fondane 2023 ».
Tanterahina ny 7 desambra 2023, ao amin’ny Institut culturel Roumain, ao Paris Frantsa, ny lanonana fanolorana ny “Prix international de littérature francophone Benjamin Fondane”, taona 2023. Lasan-dRaharimanana Jean Luc, Malagasy mpahay kanto, misehatra amin’ny haikanto marolafy izany. Izy no tanora malagasy voalohany nahazo ny amboara, hatramin’ny nisian’ny « Prix international de littérature francophone Benjamin Fondane ». Araka ny nambarany, mitohy hatrany ny fanoratana sy famoronana ho an’ny fihavanana sy ny fandriampahalemana eto amin’izao tontolo izao. Ho an’ny fifampizarana sy ny fandeferana hatrany. Raha tsiahivina, efa nandrombaka ny « Prix Jacques Lacarrière » ity Malagasy mpahay kanto ity, ny taona 2018
Ny taona 2006 no namoronan’i Magda Carneci, mpahay kanto misehatra eo amin’ny literatiora no sady tomponandraikitra teo anivon’ny Institut Culturel Roumain, ity amboara ity. Amboara atolotra isan-taona ho an’ny mpahay kanto mpanoratra, mpanao tononkalo, sy mpisehatra eo amin’ny literatiora, mampiasa ny teny frantsay nefa tsy teratany frantsay. Voafidy handrombaka izany ity Malagasy mpahay kanto ity, noho ireo asa sorany hatramin’izay. Anisan’izany ny « La voix, le loin », « Revenir », « Rêve sous le linceul »… Ankoatra ny fanoratana, misehatra eo amin’ny mozika, sy hosodoka, ary ny sary pika R. Jean Luc.
Tsiahivina fa i Benjamin Fondane dia avy any Roumanie. Nanana ny naha izy azy, nisehatra teo amin’ny tontolon’ny literatiora ny taona 1898 hatramin’ny 1944. Maty nandritra ny ady lehibe faharoa, tamin’ny fomba mahatsiravina. Ho fahatsiarovana azy no nanaovana izao amboara izao.
Lin