Hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny alahady 10 desambra ho avy izao, ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2023, taranja Rugby. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa Miaramila. Mbola manalavela amin’ny Dakar ny Bebaoty miaramila amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Efa resin’ny FTM tany amin’ny famaranan’ny « XXL Top 20 » 2023 ny Cosfa.
Raha hiverenana ny ampahefa-dalana dia ny Manjakaray nandresy ny USA Ankadifotsy, tamin’ny isa 52 no ho 16, ary ny Cosfa nanilika ny TFMA Ankasina, 46 no ho 15.
Ankoatra izay, hihaona amin’ny Tam Anosibe ny Uscar. Marihina fa hisy ihany koa ny manasa-dalan’ny sokajy vehivavy, diviziona voalohany. Ny SCB1 Besarety hihaona amin’ ny RCTS Soavimasoandro ary ny FTM Manjakaray hifandona amin’ny FTFA Antohomadinika
Fitia Randria