Soamanantombo ; tratran’ny zandary ireo mpangala-jaza

Azo teny am-pelatanan’ireo mpangalatra i Mahery, ilay zazalahy vao herintaona nangalarin’olona ny 1 desambra 2023 lasa teo, teny Soamanantombo. Nangataka vola mitentina 7 hetsy Ar ho sandan’ny famotsorana azy tamin’ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany anefa ireo mpangala-jaza. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany ny zandary afakomaly. Tratra tao amin’ny fokontany Atalata, kaominina Ampanefy, ny ramatoa iray 32 taona tompon’antoka . Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary fa nokasainy hamidy tamin’olona hafa ilay zazakely.

Vehivavy iray hafa koa tratra niaraka taminy. Ahina ho mpiray tsikombakomba taminy. Nolazainy fa hitany ny misy io zazakely io. Nomarihin’ny zandary fa efa nisy trangana hala-jaza koa nahavoarohirohy azy mialoha izao. Ankizivavy iray 12 taona koa no fantatra fa anisan’ireo tompon’antoka tamin’ity hala-jaza ity.

Efa nomen’ny zandary ny fianakaviany i Mahery. Mitohy ny famotorana ireo voarohirohy ataon’ny zandary ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Andoharanofotsy mialoha ny hanolorana azy ireo ny fampanoavana.

J.C

Partager sur: