SOMBIM-BAOVAO

Malagasy mpitsara efatra no nitsara ny lalao nihaonan’i Maurice sy Seychelles, taranja baolina kitra, omaly, tany Maurice. Marihina fa lalao ara-pirahalahiana ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Anisan’ny mpi­tsara tamin’izany Raharimanantsoa Lova­soa, Razafitsalama Herilalaina, Ramanan­tsara Nivo, ary i Ohabee Abdoul.

Notanterahina omaly, teny amin’ny kia­njan’Ambohidratrimo, ny andro faharoan’ny fifaninanana « Grand Tournoi d’Antanana­rivo (GTA) ». Nomontsanin’ny Elgeco Plus FC “Opl” tamin’ny isa 7 no ho 1 ny AS Spar­tiates. Fan­dresena roa izay no azon’ny Elgeco Plus tamin’ity fifanintsanana ity.

Nifarana ny alahady lasa teo ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Madagasikara, taranja tenisy. Nanjakan’ny ligin’Anala­manga tante­raka ny fifaninanana. Nisy ireo mpilalao nandrombaka ny amboaran’ny “meilleures progressions”. Anisan’izany ry Martinez Mitia, vehivavy mpilalao sy Rakoto­nirina Paul, sokajy lehilahy.

Notoloran’ny filohan’ny ligin’Amoron’i Mania “certificat de fin de formation” ireo 20 mianadahy mpitsara, (vehivavy 5 sy lehilahy 15) ny alatsinainy lasa teo. Naharitra telo andro ny fiofanana azon’izy ireo. Tan­jon’ity ligy ity ny hananana mpitsara maro afaka mitsara lalao isan-karazany.

Partager sur: