Tontosa omaly, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsirapo. Nisafidy ny Akany Fitahiantsoa ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, nanaovana “Tagnamaro”. Nanajary, nandoko, nanavao ny zaridaina sy nizara fanomezana ho an’ny ankizy ary fitaovana ho an’ny akany no natao nandritra izany.
Nandramana ary nahomby. Fantatra fa hotohizana ny sabotsy 9 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny « Miara-miredona » miaraka amin’i Nini Kolibera. Ho tanterahana eny amin’ny Soa Feeling Ambohimangakely izany. Hitarika ny “redona” eo amin’ny gitara izy, manome lohatenin-kira ny mpankafy izay sady miventso ny safidiny.
Tanterahina eny amin’ny Aft Andavamamba, anio tolakandro, ny fampisehoana “Ô”, iarahana amin’ny vondrona mpandihy “Théâtre Kala”. Seho miavaka no homanin’ny tomponandraikitra. Teatra larona dihy ankehitriny sy dihy klasika no handravaka ny sehatra eny an-toerana.
Ny momba ny fanenomana ireo haikanto fanao haingo indray no ho hita eny amin’ny Fondation H Ambatomena, anio, ao anatin’ny atrikasa “Hay”. Raha tsiahivina, efa nisy ny atrikasa fampianarana ny fanenomana amin’ny ankapobeny, nandritra ny volana novambra lasa teo.