« Ny filalaovana amin’ny teny : siran-daokan’ny tantara » no lohahevitra nosafidin’ny Famoloana Telozoro, iompanan’ny velakevitra anio. Hitarika izany i Hobiana Andrianimerina, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. « Na inona na inona dia ny asa soratr’izay nahay niangaly fitantarana no hitoetra, fa tsy izay nitantara rehetra akory », hoy ny filazan’ity mpanoratra, poeta ary mpandala ny teny malagasy ity.
Fizarana amin’ireo izay liana manodidina ny lohahevitra no hoentin’i Hobiana mandritra ny velakevitra. Hiainga amin’ireo sanganasany voarakitra ho boky, toa ny “Rom-padinkena” izay nivoaka ny taona 2020, izy. Manodidina ny teny, ny soatoavina ary ny kolontsaina malagasy ny velakevitra, izay natao ho an’ireo mpankafy sy mpanadalina asa soratra an-daniny, sy ireo tanora mpanoratra, vao miditra amin’ny sehatra ary eo andalam-pitadiavana fankatoavana avy amin’ny mpamaky, ankilany.
Hetsika fikarakaran’ny Famoloana Telozoro isaky ny alarobia voalohan’ny volana izy ity, ka famaranana ny “Hetsika am-pamoloana 2023”, mazava loatra.
Zo ny Aina