Hiverina hisokatra ny zotra an-dalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe (TA) rehefa nikatona nandritra ny efa-taona. Niainga teo amin’ny garan’i Soanierana omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy 20 minitra ny “draisine” ampiasaina amin’ny asa fanamboarana atao ary tonga tao Antsirabe tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro.
Hivelatra amina velarana 7 tapitrisa ha misy ny ala mando ao amin’ny faritra atsinanan’i Madagasikara ny tetikasan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny fampihenana ny entona karbona. Ity faritra ity izay mampiantrano ny antsasaky ny ala sy ny zavaboahary misy eto amin’ny firenena. Hanohana sy hanomezana lanja ny toerana misy ala ny tetikasa hatao.
Hatao any amin’ny foiben’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Varotra (OMC) any Geneve Soisa, ny fivoriambe mahakasika ny jono, ny 4 hatramin’ny 8 desambra. Misolontena an’i Madagasikara amin’izany ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Anisan’ny hodinihina ny lafiny famatsiam-bola an’ireo firenena mpikambana.
2 000 l isam-bolana ny menaka vokarina ao amin’ny ozinina any Ankadinondry Sakay. Mbola hiakatra io vokatra io aorian’izao, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Taniketsa indostrialy, Indostria iray isaky ny distrika (Odof)”, napetraky ny fanjakana. Mitantana ity orinasa ity ny kaoperativa any an-toerana KSIA.