Hiakatra fitsarana rahampitso ao amin’ny efitrano fitsarana raharaha ady heloka bevava, Lapan’ny Fitsarana Anosy, ny raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Amboalefoka Anjeva Gara, ny talata 18 avrily 2023 teo. Renim-pianakaviana iray mpandraharaha no niharan’ny vonoan’olona. Olona 11 ireo voampanga. Anisan’ireo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany ny vadiny. Torak’izany ny vehivavy iray, voalaza fa mpitsabo azy. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny lehilahy iray mpiara-miasa aminy, saingy notondroin’ny vadiny ho sakaizan’io renim-pianakaviana io.
Manoloana ny fotoam-pitsarana anio, miantso sy matoky ny fahendren’ny fitsarana ny fiakanakavian’ny niharam-boina, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny fianakaviana. Mitaraina ny fianakaviana fa efa mandeha sahady ny tsindry samihafa ataon’ny fianakavian’ny voampanga. « Manahy izahay fa misy kolikoly avolenta ambadik’izao raharaha izao kanefa matoky ny fahendren’ny fitsarana ny fianakaviana », hoy ny fanazavan’izy ireo.
Voalaza fa vonoan’olona efa nomanina izy ity satria lasan’ireo namono ny vola 10 tapitrisa Ar nipetraka tao an-trano ao amin’ny valin-drihana. Tsy misy mahita ny fitoeram-bola afa-tsy izy mivady. Nofatorana ny tanany sady nokendaina tamin’ny bodofotsy. Tsy vitan’izay fa mbola nozerana vazy koa ny tarehiny sy ny lohany. Potika tanteraka ny tarehiny. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fitsarana rahampitso.
Jean Claude